1 Fihirana fiakarana*. Sambatra izay rehetra matahotra an'i Jehovah, Dia izay mandeha amin'ny lalany.[Na: Fihirana misy hevitra ambaratonga]

2 Fa hohaninao tokoa ny asan'ny tananao; Sambatra sady ambinina ianao.

3 Ny vadinao dia tahaka ny voaloboka mahavokatra Ao anatin'ny tranonao; Ny zanakao dia tahaka ny zanak'oliva Manodidina ny latabatrao.

4 Indro, fa toy izany no hitahiana Izay lehilahy matahotra an'i Jehovah. 

5 Hitahy anao avy any Ziona anie Jehovah; Ary ho faly hahita ny fahasoavan'i Jerosalema anie ianao Amin'ny andro rehetra hiainanao.

6 Eny, hahita ny zafinao anie ianao; Fiadanana anie ho amin'ny Isiraely.
